Fifidianana solombavambahoaka : atao andrimaso ny birao fandatsaham-bato

Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny androm-pifidianana, rahampitso. Anisan’ny arahi-maso akaiky ny eny amin’ny birao fandatsaham-bato sy ny fitaterana ny voka-pifidianana.

Hotanterahana manerana ny Nosy rahampitso ny fifidianana izay ho solombavambahoaka. Efa tafapetraka any amin’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana eny amin’ny distrika na SRMV avokoa ny fitaovana hoenti-manatanteraka izany. Mifanindran-dalana amin’izany, efa manao andrimaso ny mpitandro filaminana. Hojerena manokana ihany koa ny eny amin’ny birao fandatsaham-bato. Toy ny ma­ha­zatra, manana andraikitra amin’ny fiarovana ny voka-pifidianana miainga ao amin’ny birao fandatsaham-bato, mandra-pahatongany eny amin’ny distrika tokony hisy azy ny mpitandro filaminana. Mari­hina fa manerana ny Nosy no hahitana izany hetsiky izany ho fiantohana ny fahadiovan’ny fifidianana.
Tsy misy ahina ny zava-miseho manerana ny Nosy hatramin’izao. Nifarana ta­mim-pilaminana ny fampielezan-kevitra, omaly, araka ny tetiandro voafaritry ny lalàna mahakasika ny fifidianana.

“Amin’ny 10 jona “
Raha vao vita ny fanisam-bato eny anivon’ny birao fandatsaham-bato, taterina eny amin’ny sampana mpanisa vato (SRMV) eny anivon’ny distrika ny voka-pifidianana, araka ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriama­rotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fikirakirana vokatra amin’izao fifidianana depiote izao. Manana dimy andro ny SRMV hitondrana izany eny amin’ny Ceni foibe. Misy endrika roa izay fiakaran’ny voka-pifidianana izay. Raha eny amin’ny renivohitry ny distrika sy ny manodidina ny birao fandatsaham-bato dia aterin’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato sy ny filoham-pokontany ary izay delege mety akaiky eny amin’ny SRMV mivantana ny vokatra. Raha somary lavidavitry ny renivohitry ny distrika ny birao fandatsaham-bato, misy toerana toy ny kaominina, ohatra, hanangonana ny vokatra. Avy eo no miainga ny fiara mampiakatra azy any amin’ny distrika. Dimy andro no hanatanterahana an’izay, ary efa tokony ho tonga eny anivon’ny distrika avokoa ny vokatra rehetra amin’izany. Avy eo, ny filohan’ny SRMV no mitondra ny antontan-taratasy rehetra miakatra aty Antanana­rivo. “Raha ny vinavinanay, misy dimy andro eo ho eo aorian’izay no tokony hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika”, hoy izy. Amin’ny 8 na 10 jona izany. Vinavina ihany izay, fa miankina amin’ny fahatongavan’ny antontan-taratasim-pifidianana avy any amin’ny SRMV.

R. Nd.

Partager sur: