“Tsy misy korontana atahorana izany eto, fa mifanohitra tamin’ny taon-dasa”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard , teny Anosikely, ny faran’ny herinandro. Taorian’ny fihaonany tamin’ireo iraka manokan’ny SADC izay hanara-maso ny fifidianana depiote eto Madagasikara no nanambarany izany. Tsy vao noforonina ny lalàna fa ny efa taloha no ampiasaina. Mizotra tsara ny fanomanana ny fifidianana. ”Nanao fampielezan-kevitra avokoa ny rehetra, fa tsy toy ny tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tsy misy koa ny korontana sy ny tabataba. Samy te hahazo ny maro anisa parlemantera, na ny mpomba ny fitondrana na ny mpanohitra”, hoy hatrany izy. Misaotra ny iraky ny SADC izy amin’ny fanampiana an’i Madagasikara, amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana. Ilaina mandeha ara-dalàna sy ara-demokratika ny fifidianana, ary miezaka araka izay azo atao i Madagasikara amin’ny fanarahan-dalàna sy fanajana ny soatoavina demokratika.
“Taiza no nisy fitokanana ?”, hoy kosa izy ny manoloana ny filazana etsy sy eroa fa tsy manaja Lalàmpanorenana ny filohan’ny Repoblika amin’ny fitsidiham-paritra ataony. Fanolorana zava-bita fotsiny no nataony. Manao fampielezan-kevitra ve ny manome jiro, ohatra? Ny atao hoe fampielezan-kevitra dia ny miteny hoe : “Fidio Ranona”. Rehefa niteny an’izay ny filohan’ny Repoblika dia marina ny hoe manao fampielezan-kevitra. “Tsy mbola niteny an’izay izy, fa manao ny asany ara-dalàna. Aleo hanao ny asany ara-dalàna ny fanjakana”, hoy izy namarana ny fizarany hevitra.
R. Nd.