Voasambotry ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny, ny sabotsy teo ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Teo am-pamakiana tranon’olona izy no nifanehatra tamin’ny zandary. Eny Ankadindramamy, Ankandrina, Ambohimahitsy ary Soamanandrariny no tena fanaovany ny asa ratsiny. Indroa nigadra noho ny famakiana trano sy fifohana rongony izy, ny taona 2016 sy 2019. Tratra koa ny mpandray halatra.
Nivadika tampoka ny fiara nitondra razana teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, tao amin’ny fokontany Ambalamisaotra-Imapa, kaominina Andoharanomaitso, afakomaly. Naratra mafy ny sasany tamin’ireo mpandeha ka nentina vonjimaika tao amin’ny CSB Andoharanomaitso. Tsy nisy ny aina nafoy.
Ramatoa mpivarotra rongony voasambotry ny mpitandro filaminana tao Amboara Ambodisaha, kaominina Ambohidratrimo, ny faran’ny herinandro teo. Efa voatsinjara tamin’ny fonosana ireo zava-mahadomelina ireo. Nogiazan’ny zandary avokoa ireo fonosana ary notanana atao fanadihadiana ilay ramatoa, izay efa mpamerin-
keloka.
Tokantrano 12 traboina vokatry ny haintrano nahatsiravina tao Ambalakisoa carreaux I, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nisy entana azo noraisina intsony tao
amin’ny trano fonenan’ireo fianakaviana lasibatra. Trano hazo avokoa ireo nirehitra ka niparitaka tao anatin’ny minitra vitsy ny afo.