“Na vitsy aza ny toerana sy ny antoko politika ary ny kandidà narahi-maso, mbola mitovy amin’ny teo aloha ihany ireo singa manamarika ny fampielezan-kevitra. Misy ny fizarana vola etsy sy eroa, ny tsy fanarahan-dalàna samihafa, ny tsy fanajana ny zon’olombelona… ” Io ny fanazavan’ny tale mpanatanteraky ny Transparency International-Iniative Madagascar (TI-IM), Rafitoson Ketakandrina, teny Ambaranjana, afakomaly, ny amin’ny fizotran’ny fampielezan-kevitra. Noho izany, zava-dehibe ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana ho amin’ny fifidianana manaraka rehetra. Eo koa ny fampitomboana ny fahaleovantenan’ny rafitra ara-panjakana miadidy ny fifidianana, fa mbola misy ny mampifaningotra amin’ireo miasa amin’izany amin’ny fampielezan-kevitra. Mila ferana koa ny fandaniam-bola amin’ny fifidianana mba hampitovy kokoa ny lanjan’ny kandidà, fa tsy ny vola hatrany no miteny. Mba hisy tontolo demokratika kokoa amin’ny fifidianana. Raha ny fandehan’ny fifidianana amin’izao: mbola mitanila hatrany… Tsy misy rafitra tena demokratika azo antenaina amin’izao fitanilana izao.
R. Nd.