Fizotran’ny fifidianana: nisy ny tsy fahatomombanana tetsy sy teroa

Tamin’ny ankapobeny, nizotra sy nilamina saika nanerana an’i Madagasikara ny fanatanterahana fifidianana solombavambahoaka omaly. Na izany aza, nisy ihany ny tsy fahatomombanana tamina birao fandatsaham-bato sasany.

Santionany ihany… Ani­san’izany, ohatra, ny teny Andranoro Ambohi­bao, kaominina Antehiroka, nisy ny bokim-pifidianana izay nosoniavin’ny olona tonga nifidy maraina. Nefa rehefa tamin’ny 10 ora 20 mn, nosoloina boky vaovao izany. Nanaova­na fitantanana an-tsoratra (PV) ireo nandatsa-bato tamin’ny bokim-pifidianana voalohany. Nihenjan-droa koa ny tady teo amin’ny boriboritany fahefatra ho an’ny teny Anosizato sy Anosibe. Lehilahy iray nosamborin’ny fokonolona rehefa nahatrarana kara-pifidianana maromaro teny aminy teo Anosibe. Natolotra ny mpitandro filaminana noho ny ahiahy ho fisiana hala-bato.
Tany Antsalova, faritra Melaky, indray, nisy ny fangatahana famindrana biraom-pifidianana tamin’ny Ceni foibe tao amin’ny EPP Anjiabe ho ao Ankilizato. Saingy tamin’ny androm-pifidianana, omaly, nisy namindra tsy nisy fahazoan-dalana tao amoron’ny renirano Sahoany izany. Teny amin’ny lycée Ambohibao, Antehiroka, nisy mpifidy nitondra kara-pifidianana, nefa tsy ao anatin’ny lisi-pifidianana: tsy afa-nifidy. Nisy koa no efa nifidy tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo, nefa tsy tao anatin’ny lisi-pifidianana intsony. Nahazo nifidy kosa ireo tsy manana kara-pifidianana nefa ao anatin’ny lisi-pifidianana.
Ankoatra ireo, nisy koa, ohatra, ny antontan-taratasy fanisam-bato izay any Betroka, faritra Anosy, no tonga eny Mandrangobato, Antananarivo IV. Teny amin’ny biraom-pifidianana iray fokontany Ankadifotsy II, Antananarivo III, kosa: saika tsy nety nivoaka ny biraom-pifidianana ireo delegena kandidà miisa 12. Nefa tokony handeha tsiroaroa mifandimby izy ireo. Vokany, nihemotra ny fanombohana ny latsa-bato.
Manoloana an’ireny karazana tsy fahatomombanana rehetra ireny, nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa hisy ny fanadihadiana hatao.

R. Nd.

Partager sur: