“Ny fisian’ny fitarainana tsy midika hoe tsy manara-dalàna ny zava-misy. Avelao hanao ny asany ny Ceni sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Zon’ny mpifaninana amin’ny fifidianana sy ny olom-pirenena ny manao fitarainana araka ny tokony ho izy”, hoy ny Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta, i Ntsay Christian, taorian’ny fandatsaham-batony teny amin’ny EPP Charlotte Ratsirahonana, Ankorondrano Andranomahery, omaly.
Avelao hanao ny asany ny ny rafitra hapetraka ho amin’izany fitarainana izany: ny Ceni sy ny HCC. Amin’izay, hita hoe mitombina sa tsia ny fitarainana.
Andro lehibe ho an’i Madagasikara sy ho an’ny Malagasy ny androany. Satria fotoana ahazoana manao ny fifidianana solombavambahoaka, ary malalaka ny safidy eto Madagasikara. “Midika izany fa manaraka ny fenitra isika amin’ny maha firenena demokratika antsika”, hoy izy. Mifidy ny olom-boafidy amin’ny alalan’ny fifidianana ny firenena demokratika. Mahatsapa ny rehetra fa malalaka ny fifidianana eto Madagasikara. Ny tomponandraikitra rehetra amin’ny fanomanana rehetra fa tsy mora ny manomana zavatra. Manantena izy fa milamina hatrany ny eto Madagasikara. Raha tsy manana fahaleovantena ireo mpikarakara, tsy nirotsa-kofidina ireo kandidà rehetra ireo. Matoa mirotsa-kofidina avoko izy rehetra manerana an’i Madagasikara ary ao anatin’izany ny vovonana maro, mahatsapa ny rehetra fa manana fahaleovantena ihany ry zareo mpikarakara fifidianana.
R. Nd.