Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ny fifidianana solombavambahoaka”

“Ny zavatra azo ambara: isaky ny fotoam-pifidianana dia adidin’ny olom-pirenena tsirairay ny mandray anjara, misafidy izay olona safidiny, indrindra fifidianana solombavambahoaka no resahina”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, taorian’ny nanatanterahany ny fandatsaham-bato teny amin’ny Lycée agricole Ambatobe, omaly. Solombavambahoaka izay mi­tondra ny tenin’ny vahoaka, mijery izay mangirifiry ny vahoaka sy ny olan’ny vahoaka eo anivon’ny Anteni­mie­ram­pirenena. “Tsara ho fantatra fa ny Antenimieram­pire­nena no lazaina hoe lapan’ny demokrasia”, hoy izy. Amin’ izany ny fanehoan-kevitra sy ahazoana miady hevitra koa, ary tena anjakan’ny demokrasia. Manomboka any amin’ny tetibolam-panjakana izany, ny asa tokony hataon’ny fitondram-panjakana, ny lalàna rehetra atolotra, indrindra izay asa tokony hanasoavana sy hampandrosoana ny firenena eny anivon’ny distrika izay misy an’ireo solombavambahoaka mirotsa-kofidina tsirairay avy. Noho izany, zava-dehibe ny mifidy.
Fantatra hatramin’izay ary efa hita fa tsy dia mazoto loatra fa malaindaina ny olona rehefa fifidianana solombavambahoaka. Koa nanentana ny Malagasy tsivakivolo izy mba hanao ny adidiny amin’izay fifidianana izay hisolo tena azy ireo eny anivon’ny distrika misy an’ireo solombavambahoaka tsirairay avy manerana an’i Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: