“Efa manomboka izao ny fitoriana. Iray ny fitoriana voaray ato aminay, fa mety ho maromaro ato ho ato”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, teny Ambohidahy, omaly. Taorian’ny fitsidihan’ny iraky ny OIF azy, niresahana ny amin’ny fitoriana amin’ny raharaham-pifidianana no nanambarany izany.
Misokatra sy vonona handray ny fitoriana amin’izay heverina hoe tsy manara-dalàna na mandika lalàna ny HCC. Nanao fitsidihana ny iraky ny OIF, araka ny fomba mahazatra fanaon-dry zareo. Nanara-maso ny fizotran’ny fifidianana izy ireo. Na tamin’ny fifidianana Repoblika, na amin’izao fifidianana solombavambahoaka izao.
Voaresaka tamin’izany ny fahavononan’ny HCC, izay efa tena amperinasa tanteraka. Teo koa ny amin’ny fampahafantarana ny olona amin’ny fanaovana fitoriana, raha misy ny tsy fanarahan-dalàna. Efa nisy ny fanaovan’ny HCC izany tamin’ny renivohi-paritany enina. Tamin’izany no nampianarana ny olona ny fomba fanaovana fitoriana amin’ny raharaham-pifidianana. Tato ho ato, betsaka ny heverin’ny olona fa tsy fanarahan-dalàna sy ny fifandirana madinidinika tany amin’ny birao fandatsaham-bato.
Misokatra ny varavaran’ny HCC mandray ny fitoriana. Efa nampianarina ny rehetra ny fomba fanaovana fitoriana mba tsy hisian’ny hoe azo raisina fa tsy mitombina.
R. Nd.