Nanao antso avo amin’ireo tomponandraikitry ny filaminana, Antananarivo, ny eo anivon’ny vovonana Firaisankina, Rakotovao Rivo, fa hita ny fanomanana herisetra ao amin’ny boriborintany faha-IV amin’ireo mpomba ny kandidà roa mifanandrina. Anjaran’ny
tomponandraikitra ny mandray izay tokony hatao
amin’izany.
Saika nitarika tamin’ny fironan’ny vokatra tamina biraom-pifidianana maro ny kandidà lah. 3, avy amin’ny vondrona Firaisankina, ao amin’ny distrikan’i Morondava, faritra Menabe, i Mamy Meryson Claver, nodimandry tamin’ny 20 mey lasa teo. Hanao ahoana ny ho fanapahana-kevitry ny HCC? Efa nanao fanairana ny Ceni hanontany mialoha ny hevitry ny HCC ny amin’izany ny KMF/Cnoe.
Naneho ny ahiahiny manoloana ny fikasan’ ny tomponandraikitra sasany hiezaka hanova ny voka-pifidianana solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ny kandidà Fidèle Razara Pierre. Eo anatrehan’izany, nanambara izy fa vonona hiaro hatramin’ny farany ny safidim-bahoaka.
Mandritra ny dimy andro no hikirakiran’ny SRMV, ny voka-pifidianana, isaky ny distrika nisy azy avy. Aorian’izay fe-potoana izay, izy ireo ihany no mampiakatra ny voka-pifidianana any amin’ny Ceni foibe. Mangarahara tanteraka ny fanatanterahan’izy ireo ny asa ary afaka manara-maso malalaka ireo delegen’ny kandidà sy ireo mpanara-maso fifidianana.