“Ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy no nisy fifampikasihan-tanana. Tsy nahitana mpanara-maso Safidy tany an-toerana, fa ny mpanara-maso Safidy no nanao fanamarinana nahalalana ny hoe nisy tokoa ny olona naratra”, hoy ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, afakomaly, ny amin’ny fizotran’ny fifidianana depiote teo. Mbola hohamarinina koa ny hoe fisian’ny olona namoy aina tamin’ny toerana iray. Ireo mpanohana kandidà matetika no nahitana fifanandrinana na fifampikasihan-tanana. Nisy ny tsy famelana ny solontenan’ny kandidà hiditra ao amin’ny biraom-pifidianana, fa tsy nahatonga fifampikasihan-tanana.
Mbola tao anatin’ny fampielezan-kevitra dia efa nisy ny hoe biletà tokana efa voaisy marika mialoha. Nalaza tamin’izany ny tao Belo sur Tsiribihina. Raha vao misy tranga toy izay, nampahafantatra ny Ceni avy hatrany ny Safidy. Tamin’izany no nanaovan-dry zareo fanazavana fa tsy tena biletà tokana ilay efa voaisy marika mialoha fa biletà nisy nanamboatra. Nisy ny fandisoana ny vaovao niely, ary nampahafantarina ny olona fa mampanahy azy ny tsy fahadiovan’ny fikarakarana fifidianana. 1% tamin’ny biraom-pifidianana narahin’ny Safidy maso no nahitana herisetra na korontana nandritra ny androm-pifidianana. Nahazo tatitra fanairana 82 isa mifandraika amin’ny fisiana herisetra nandritra ny fifidianana.
R. Nd.