TSELATRA

Nodoran’ny olona omaly ny biraon’ny Ceni ao amin’ny distrikan’i Tsihombe. Voalaza fa noho ny hatezeran’ireo andian’olona sasany tsy nankasitraka ny voka-pifidianana tany an-toerana no anton’izao. Niparitaka teny ivelan’ny trano avokoa ny antontan-taratasy rehetra momba ny fifidianana, tany an-toerana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.
Efatra mianadahy nosamborin’ny zandary miasa ao Morondava, omaly, tamin’ny 4 ora. Minia mandika lalàna manoloana ny fitandroana ny fahadiovan’ny morontsiraka ireo olona nosamborina ireo. “Efa samy manana ny toeram-pivoahany ny tsirairay saingy mbola misy ihany ny za-dratsy”, hoy ny nambaran’ny kaomandin’ny kaompania zandarimaria ao Morondava.
Voasambotry ny fokonolona teo am-pangalarana voasary ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Antsa­harialoha, kaominina Masindray, Antananarivo Avara­drano, afakomaly. Nioty voasarin’olona vao maraina, amin’ny 5 ora, io mpangalatra io ka noraisim-potsiny niaraka tamin’ny gony. Natolotra ny zandary atao famotorana izy.
Fiara taksiborosy nivarina an-tanimbary teny amin’ny digue Andohatapenaka, omaly. Tratry ny torimaso fotsy ny mpamily . Naratra ny mpandeha sasany ka voatery nentina nihazo ny hopitaly.
Naiditra am-ponja ilay nanolana ankizy 9 taona tao Sahavola, Fenoarivo, Atsinanana, afakomaly. Nohararaotin’io tsy mataho-tody io nanamparana ny filan-dratsiny ilay zaza tsy ampy taona, ny 28 mey teo. Simba tanteraka ilay lasibatra rehefa notiliana tao amin’ny CHRR Fenoarivo Atsinanana. Voatery nentina ao amin’ny hopitaly Toamasina izy noho ny fahavoazany.

Partager sur: