Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo vondrona iraisam-pirenena, nanara-maso ny fifidianana teto Madagasikara. Tao anatin’izany no nitondran’izy ireo fanitsiana mahakasika ny lesoka hitany nandritra izany fifidianana izany.
Nanatanteraka fanambarana teny amin’ny Novotel Ivandry ny avy amin’ny Sadc sy ny OIF ary ny Vondrona afrikanina, omaly. Mahakasika ny fahitan’izy ireo ny fifidianana solombavambahoaka natao teto Madagasikara no nambarany tamin’izany. Tao anatin’izany no niarahaban’ireto vondrona iraisam-pirenena ireto ny fitondram-panjakana tamin’ny nahavitana ny fifidianana tao anatin’ny mangarahara sy filaminana. Nisy kosa anefa ny fanamarihana sy tolokevitra nataon’izy ireo manoloana ny tsy fahalavorariana hitany nandritra izany. Anisan’ny nahazo izany ny ao amin’ny fitondram-panjakana sy ny Birao mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), ny kandidà, ny fiarahamonim-pirenena ary ny vondrona iraisam-pirenena.
Namoaka ny fanambarana mahakasika ny fahitan’izy ireo ny zotram-pifidianana ny avy amin’ny OIF sy Sadc ary Vondrona afrikanina, roa andro taorian’ny fifidianana. Nankasitrahin’izy ireo tamin’izany ny ezaky ny fitondram-panjakana tamin’ny fandavorariana ny fifidianana. Teo ihany koa ny fandraisan’anjara ara-politika sy diplomatikan’ny vahoaka malagasy. Manaporofo izany ireo filaminana nandritra ny fifidianana, araka ny nambaran’ireto mpanara-maso iraisam-pirenena ireto. Tsy hadinon’izy ireo ny nanentana hatrany ny vahoaka hitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana mandra-pivoakan’ny voka-pifidianana.
Nisy ihany koa ny fanatsarana nentin’izy ireo, araka ny tranga sy lesoka hitany nandritra izany. Anisany ny ho an’ny fitondram-panjakana, ny amin’ny tokony hanampiana bebe kokoa ny Ceni ahafahany manatontosa ny anjara asany amin’ny antsakany sy andavany. Eo ihany koa ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny zotram-pifidianana. Nisy ihany koa ny ho an’ny Ceni. Fanabeazana sy fampahafantarana ny vahoaka mahakasika ny zotram-pifidianana. Tsy ambakan’izany ny fampanarahana fenitra ny birao fandatsaham-bato ho fitsinjovana ny olona manana fahasembanana sy ny beantitra ary ny vehivavy bevohoka. Nisy ihany koa ny ho an’ny kandidà, ny hitandro ny filaminana sy hanentana ny olona hilamina, mandritra ny zotram-pifidianana. Nanentana ny vondrona iraisam-pirenena maro samihafa ihany koa izy ireo mba hanampy an’i Madagasikara, amin’ny fanatsarana ny ezaka vitany.
Lin