Hanainga anio sabotsy 1 jona, hihazo an’i Séoul, renivohitr’i Korea Atsimo, ny filoha Rajoelina Andry, sy ramatoa vadiny, hanatrika ny fihaonana an-tampony « Corée – Afrique » izay hatao ny 4 sy 5 jona ho avy izao . Fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-politika, diplomatika ary ara-toekarena eo amin’i Korea sy ireo firenena afrikanina no tanjon’ity fihaonana an-tampony ity. “L’avenir que nous construisons ensemble : Croissance partagée, durabilité et solidarité”, no lohahevi-dehibe an’ireo dinika mandritra io roa andro io.
Ny hametrahana fiaraha-miasa matotra sy maharitra amin’ny fanataterahana ny andry telo iankinan’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), sy ny fampandrosoana no kinasa ho an’ny delegasiona malagasy izay tarihin’ny Filoham-pirenena mandritra izao fihaonana izao. Tsy inona izany fa ny fampiroboroboana ny indostria, ny fanamafisana ny maha olona ary ny fanjakana tsara tantana.
Mifandraika amin’ny vinam-pampandrosoana an’i Madagasikara rahateo ireo teboka, izay imasoana mandritra ny dinika ao Séoul. Anisan’izany indrindra ny fampiroboroboana ny indostria, ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Eo koa ny fampiroboroboana ny fifandraisana ara-barotra, ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny ady amin’ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Anisan’ny horesahina ihany koa ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany sy ny mahakasika ny fanorenana fotodrafitrasa.
Anisan’ireo hanana anjara fitenenana mandritra ity fihaonana an-tampony ity ny filoha Rajoelina Andry. Ankoatra ny dinika sy ny adihevitra, vinaniana ny isiana fametrahana lasitra ahatongavana amina fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ i Madagasikara sy i Korea, izay ho raketina mandritra ity dian’ny delegasiona Malagasy any ity
Ankoatra ny filoha sy ramatoa vadiny, anisan’ireo mandrafitra ny delegasiona malagasy ihany koa ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, ary ny minisitry ny Asa, ny asam-panjakana sy ny fampananan’asa. Ao ihany koa ny ny filohan’ny Groupement des entrepreneurs de Madagascar, GEM, ny filohan’ny Fivondronan’ny mpandraharaha Malagasy, FIVMPAMA, ary koa ny Tale jeneralin’ny EDBM.
Lin