Mivoaka tsikelikely ny fironan’ny vakatra tamin’ny fifidianana depiote teo avy amin’ny Ceni. Nitondra ny heviny momba izany Rakotoarijaona Jerry, mpandrindra ny vovonana JPRM.
“Mahalasa saina ihany ny fifotoran’ny mpanohitra amin’ny politika tranainy: rehefa resy amin’ny fifidianana dia midika izay fa nangalarina ny vatony”, hoy ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires malagasy (JPRM), Rakotoarijaona Jerry, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fihetsiky ny mpanohitra amin’ny fivoahan’ny fironan’ny vokatra tamin’ny fifidianana depiote teo. Misy mpanara-maso ny fifidianana ary misy solontenan’ny kandidà tsirairay avy isaky ny birao fandatsaham-bato, raha ny tokony ho izy: manara-maso ny fizotran’ny fifidianana, tokony hahita izay lesoka rehetra amin’izany.
Anjaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) no manapaka, raha misy ny lesoka amin’ny fifidianana. Any ny fanaovana fitarainana ary ry zareo no mitsara ny zava-nitranga tamin’ny fifidianana. “Tsy misy tokony hampikoropaka antsika rehetra ny famoahana ny valim-pifidianana vonjy maika”, hoy izy. Ny Ceni ihany no tokony harahina. Izay no rafitra amin’ny fikirakirana ny famoahana izany valim-pifidianana vonjy maika izany mandra-pahatonga ny ofisialy. Mahalasa saina ihany ny politika tranainy amin’izao: rehefa any amin’ny faritra andresena amin’ny fifidianana dia milamina ny tena, fa rehefa any amin’ny faritra aharesena dia lazaina fa misy hala-bato. Matetika, misy hatrany ny filazana an’izany isaky ny fifidianana. Mila atsahatra koa ny fanelezana vaovao tsy marina mety manakorontana saim-bahoaka, fa mendrika filaminana ny vahoaka ary manana zo hahazo vaovao marina sy hahalala izay tranga tena nisy.
R. Nd.