Nifarana omaly ny fe-potoam-piasan’ny sampana mpikirakira ny voka-pifidianana eny anivon’ny distrika, raha ny voafaritry ny lalàna mifehy ny fifidianana.
Eny anivon’ny Birao mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) foibe indray, araka izany, no hikirakirana ireo voka-pifidianana ireo, manomboka anio. Manana 10 andro kosa ny Ceni hanatanterahana ny asany, araka ny voafaritry ny lalàna hatrany. Raha ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny Ceni, vinavinaina hivoaka ny 11 jona izao ny valim-pifidianana.
Mivoatra miandalana ny fikirakirana ny voka-pifidianana ataon’ireo rantsamangaika misahana izany. Ny faran’ny herinandro teo no nisy ny fironana ofisialy mahakasika ireo vovonana nahavita nampandany kandidà betsaka. Eo amin’ny laharana voalohany no ahitana ny vovonana miaraka amin’ny fitondram-panjakana, arahin’ny vovonana Firaisankina, avy eo ireo kandidà tsy miankina. Ny GJMP no eo amin’ny laharana fahefatra. Fahadimy ny vovonana Kolekitifa. Ny Antoko maitso Hasin’i Madagasikara no eo amin’ny fahenina ary ny antoko Fivoi no mamarana azy. Ireo no vovonana sy antoko nahavita nampandany kandidà, ary hahazo seza eny anivon’ny Antenimierampirenena. Raha ny salanisa avoakan’ny Ceni, manodidina ny 40% ny voka-pifidianana voakirakiran’izy ireo amin’izao ka ahafahany mamoaka ireny voka-pifidianana vonjimaika ireny.
Manentana ny rehetra ihany koa ny fitondram-panjakana ho tony sy handray ny andraikitra manandrify azy avy, eo am-piandrasana ny valim-pifidianana ofisialy, indrindra manoloana ireo savorovoro samihafa.
Lin




