Rajoelina Andry : “Tsy vita raha tsy ifanakonana ny mandrafitra ny hoavy mamiratra”

“Tsy mikely aina aho mitafa amin’ireo vonona hampandroso an’i Madagasikara”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena hafa any ivelany.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao Séoul, renivohitr’i Korea Atsimo, ny fihaonana an-tampony Korea-Afrika. Man­­dray anjara amin’izany ireo filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta eto Afrika, miaraka amin’ny tomponandraiki-panjakana ao Korea. Anisan’ny voaasa hiatrika izany ny filoha’ny Repob­lika malagasy, Rajoelina Andry. Manara-dia azy amin’izany ny tomponandraiki-panjakana samihafa, mandrafitra ny delegasionina malagasy. « Ny hoavy izay iarahantsika manangana : fandrosoana voatsinjara, faharetana sy firaisankina » ( dikateny malalaka) na « L’Avenir que nous construisons ensemble : Crois­sance partagée, durabilité et solidarité » no lohahevitra mandritra ny fihaonana an-tampony.

Nikabary

Anisan’ny vahiny manan-kaja, nandray fitenena ny filoham-pirenena malagasy, Ra­joelina Andry. Nambarany tamin’ny kabariny fa zava-dehibe sy mitera-bokatsoa ny fiaraha-miasa amin’i Korea. « Ny hoavy mamiratra izay iarahantsika mandrafitra, ho an’ny kaontinanta afrikanina sy ho an’ireo firenena rehetra maneran-tany, dia tsy vita raha tsy ifanakonana », hoy izy. Nisaotra ny filohan’i Korea Atsimo, Yoon Suk-Yeol, ihany koa izy.
Tombony ho an’i Madaga­sikara ny fandraisan’anjara amin’ny fihaonana. Notsin­drian’ny filoham-pirenena ny ezaka samihafa, entina hana­tsarana sy hampiroboroboana ny lafiny toekarena. Anisan’ izany ny eo amin’ny sehatry ny fizahantany, ny harena an-kibon’ny tany ary ny angovo azo havaozina. Anisan’ny firenena manana traikefa sy fahaiza-manao amin’ireo i Korea. Antony itadiavan’i Madagasikara fiaraha-miasa sy ho fampandehanana ireo tetikasa eto an-toerana.

Lin

Partager sur: