Lehilahy iray nikasa hamono tena teo amin’ny tetezan’ny Tanjombato, omaly maraina. Nifamaly tamin’ ny sakazainy io lehilahy io ka nitsoraka tao anatin’ny rano. Nanavotra azy anefa ireo mponina manodidina ka tsy maty izy.
Raim-pianakaviana iray handeha hiasa vao maraina niharan’ny fanendahana nataon’ny olon-dratsy teny amin’ny Digue Anosipatrana, omaly. Nanohitra ireo mpanendaka nanindrona antsy izy. Lasan’ireo roa lahy ny telefaonina teny aminy.
Olona roa atao famotorana eo anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana, taorian’ny vono olona nahatsiravina nitranga ny alatsinainy 3 jona teo, tao Tanambao, kaominina Ranohira, distrika Ihosy. Rakotra dian’antsy ny vatan’io lehilahy maty io.
Jiolahy nikasa hanao fanafihana voasambotry ny zandary tao Miarinarivo, fokontany Analalava, kaominina Alarobia Bemaha, afakomaly. Nahatrarana basy vita malagasy iray teny aminy. Karohina ireo naman’ity olon-dratsy ity.




