Antenimierampirenena : Vao hofaritana ny fandaharam-potoana

“Miverina manomboka ny 6 jona ny fivorianay, hanapaka ny fandaharam-potoana. Ho hita amin’izay ny ho fandehany”, hoy ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, teny Tsimbazaza, omaly. Tsy maintsy tafiditra amin’izany ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2024. Toy ny mahazatra hatramin’izay, fotoana fohy dia fohy no omen’ny governemanta hahazoana mijery ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, izay tsy manaraka lalàmpanorenana sy ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana. Tsy maintsy misy hatrany ny hazakazaka arahin-tosika amin’izany. Be dia be ny tsy fanarahana ny tetibolam-panjakana nolaniana. Mila fanitsiana izay, fa ho fohy ny fe-potoana handinihina azy. Mety hisy depiote hananganangana tanana fotsiny eo. “Asa, mety hisy fiovan-javatra, angamba?” hoy izy. Maro amin’ireo depiote na tsy kandidà na tsy lany. Tsy maintsy hanatrika fivoriana ihany izy ireo, satria io ny fivoriana farany hiarahana. Noho ny fiatrehana ny fifidianana depiote teo, niato iray volana eo ho eo ny fivoriana teny Tsimbazaza.

R. Nd.

Partager sur: