Korea- Madagasikara: hiara-hiasa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny fambolena

Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Korea, nandritra ny fihaonana an-tampony Korea-Afrika. Anisan’izany ny mahakasika ny harena an-kibon’ny tany, eo koa ny fampiroboroboana ny fambolena. Maro ny fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta, mandritra izany fiaraha-miasa izany. Anisan’ny vokatsoan’ny fihaonana antampony Korea-Afrika izao. Raha tsiahivina, mifanindran-dalana amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana mba ho fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny famerenana an’i Madaga­sikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina izao. Mbola misy ny fikarohana fiaraha-mi­asa eo amin’ny sehatra hafa, ataon’ireo tomponandraikitra any an-toerana.
Nisy vokany avy hatrany ny fihaonana antampony Korea-Afrika. Ankoatra ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa momba ny harena an-kibon’ny tany, nisy koa ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavana momba ny fampiroboroboana ny fambolena, indrindra ny famokaram-bary eto Ma­dagasikara. Vonona hanohana ny firenena malagasy amin’ny fananganana “complexe rizicole” ny firenena koreana. Ma­nom­boka amin’ny famokarana, mandalo amin’ny fanodinana, hatrany amin’ny fivarotana dia ho hita ao anatin’io Complexe io avokoa. Tafiditra ao anatin’io fifanarahana io ihany koa ny famokarana masomboly, ny fizarana ireo teknolojia vaovao amin’ny famokarana masomboly izay mahatanty ny fiovaovan’ny toetry ny andro ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo teknisianina.

Lin

Partager sur: