Rasoamaromaka Hery : “Tsy maharesy lahatra vahoaka ny paikadin’ny mpanohitra”

Ho tonga hatraiza ny fanoherana ny voka-pifidianana depiote etsy sy eroa amin’izao? Tsy maharesy lahatra ny vahoaka hatramin’izay ny paikadin’ny mpanohitra, raha ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV. Fanehoan-kevitra…
“Tsy maharesy lahatra ny vahoaka hatramin’izay ny paikadin’ny mpanohitra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoa­maromaka Hery, teny Ambo­hi­dahy, omaly, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra sasany, ny amin’ny voka-pifidianana izay mbola vao fironana amin’izao. Hain’ny olona tsi­an­jery ireo mpitarika ny mpanohitra: ny filoha teo aloha, Ravalomanana, tsy mahalala afa-tsy ny tenany. Nataony tohatra fiakarana fotsiny ny vovonana Firaisankina. Mita­rika any amin’ny lalana tsy tokony ho izy no ataon’ny mpanohitra, izay efa goaika antitra amin’ny politika sy efa mankaleo ny olona. Izay no mahatonga azy ireo tsy mahatarika olona. Tsy mbola misy voka-pifidianana mivoaka ary mbola azo atao ny fampitaham-bokatra dia hoe hidina an-dalambe: tsy misy ho resy lahatra amin’izany.
Tsy maharesy lahatra in­tsony ny mpanohitra. Satria tadiavin-dry zareo entina any amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny vahoaka. Farafaharatsiny , mba mivoaka ny voka-pifidianana vonjimaika avy amin’ny Ceni vao mba miteny hoe misy tsy mety izao na izatsy.

R. Nd.

Partager sur: