Manoloana ny voka-pifidianana: nanangana KMSB ny vovonana Firaisankina

Samy manao izay ho afany na ny mpanohitra na ny mpanohana fitondrana iarovana ny vato azo tamin’ny fifidianana. Nametraka ny Komity miaro ny safidim-bahoaka (KMSB) ry zareo ao amin’ny vovonana Firaisankina.

Nivory ary nanangana ny Komity miaro ny safidim-bahoaka (KMSB) ireo kandidà depiote natolotry ny vovonana Firaisankina, teny Ambohimanambola, oma­ly. Nitarika azy ireo ny filoha mpiara-mitantana ny Firaisankina, Ravalomanana Marc. “Izao no hafatra ho an’ireo kandidà rehetra tsy ankanavaka: sahirana ianareo raha mandeha irery, fa miaraka isika. Miantso anareo àry izahay mba tena hatambatra ny hery, fa ny mitabe tsy lanin’ny mamba. Mba miomana avokoa isika amin’ny fiarovana ny safidim-bahoaka”, hoy izy. Ho an’ny vahoaka indray, nambarany fa ampy izay ny fandeferana sy ny fitavozavozana, fa hihetsika izy ireo. Tompom-pahefana ny vahoaka, ary masi-mandidy nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana. Nefa mbola avilivily ny safidiny.

Tsy manaiky

”Manana ny maha izy i Madagasikara ary tokony handroso. Tsy mandroso i Mada­gasikara rehefa tsy mahay ny mpitantana, fa vao mainka mihemotra. Noho izany, mila fanovana tanteraka ny zava-misy eto Madagasikara. Tsy avela hijaly amin’izao intsony ny vahoaka malagasy”, hoy ny mpandahateny.
Mandray ny hevitra rehetra ry zareo ary manantena fifampitokisana sy ny finoana amin’izay hatao. Tanjona dia fanajana ny fanjakana tan-dalàna, araka ny fanambarana. ”Tsy misy maha firenena ny firenena, rehefa ny Lalàmpanorenana no voahitsakitsaka. Fanajana ny demokrasia ny fiarovana ny safidim-bahoaka, tsy misy fanodinkodinana sy famitapitahana. Mba ho tena mendrika ny Antenimierampirenena, heverina tena hoe solontenan’ny vahoaka”, hoy ny mpitarika ny Vovonana.
Hijanona amin’ny fitakiana fahamarinan’ny voka-pifidianana ve ny hetsika?

R. Nd.

Partager sur: