FANTINA sy FINTINA

An-jatony ny fitoriana na fitarainana voarain’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Ambohidahy, amin’izao, ny amin’ny fifidianana depiote tamin’ny 29 mey lasa teo, araka ny loharanom-baovao iray. Votoatin’ny fitarainana na fitoriana amin’izay ny momba ny isam-bato misy fiovana, ny amin’ny kara-pifidianana, ny olona tsy tokony hifidy nefa nandatsa-bato…
Nambaran’ny mpandrindra ny Celulle de crise, «Diovy i Madagasikara», Ralaiseheno Guy Maxime, omaly, fa tsy mitondra fitoniana ny amboletram-pifidianana depiote fa mankany amin’ny korontana, fisaraham-bazana, fifandonana. Mety hitondra any amin’ny fiverenan’ny tantara aza izany amin’ny hetsika politika marolafy. Tsy vahaolana maharitra ny fifidianana tamin’ny 1991, 2001, 2009…
Niverina nivory ny eny anivon’ny Anteni­mierampirenena, Tsimbazaza, omaly, ary nanapaka ny fandaharam-potoana sy ny lahadinika hatramin’ny 1 jolay hifaranan’ny fivoriana ara-potoana. Izay ihany koa no fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny depiote amperinasa amin’izao. Anisan’ny andrasana amin’izany ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2024.
Nandefa taratasy ho an’Andriamatoa Prai­minisitra, mahakasika ny fisamborana sy fitazonana ny solombavambahoaka, amperinasa, Masy Goulamaly, ny avy eo amin’ny birao maharitry ny antenimierampirenena. Nambarany tao anatin’izany fa tsy ara-dalàna, ary maro ny lalàna voadika amin’izao fitazonana ity solombavambahoaka ity izao.

Partager sur: