TSELATRA

Zazamenavava narian-dreniny teo amin’ny tetezana Tanamakoa, Toamasina, omaly maraina. Napetraka tao anaty harona plastika mainty io zaza io. Mpandalo no nahatsikaritra ka nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ireo tomponandraikitra.

Kamiao mpitatitra solika niharan’ny firehetana teny amin’ny lalam-pirenena faha-55, PK 204+ 500, fokontany Tantalavalo, kaominina Ankatsakantsa Atsimo, distrikan’i Morombe, ny alakamisy 6 jona tamin’ny 9 ora alina. Nikasa hitatitra solika ho any amin’ny tobin-dasantsy tao Ambahikily io fiara io. Vatoharatry ny fiara no nirefotra tampoka ka niteraka ny firehetana.

Tafaverin’ny mpitandro filaminana avokoa, ny talata teo, ny omby miisa 180 nangalarin’ny dahalo tao amin’ny fokontany Andetsakabo, kaominina Imanombo, distrikan’Antanimora Atsimo. Nanara-dia nanampy azy ireo ny fokonolona.

Kilan’ny afo ny tsena rehetra ao amin’ny Bazar Vangaindrano, afakomaly alina. Niredareda tao anatin’ny minitra vitsy ny afo. Niezaka nifehy ny fokonolona saingy tsy nisy noraisina intsony ireo trano fivarotana.

Partager sur: