Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy ekena ny fambolena korontana”

Mazava ny fitsipi-dalao! Tsy manaiky ny hisian’ny korontana eto Madagasikara ny Praiministra Ntsay Christian. ”Tsy misy mahazo tombontsoa amin’izany”, hoy izy.

Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Tsy misy mahazo tombony ao anatin’ny korontana, ary tsy eken’ny fitondram-panjakana sy ny governemanta manokana ny fambolena korontana eto amin’ny tany sy ny fanjakana”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny mpa­nao gazety, teny amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ny Ta­nàna, Antananarivo Renivo­hitra, Analakely, omaly, taori­an’ny fananganan-tsaina na­nombohana ofisialy ny hetsika fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena.
“Ny hafatra tiako hapetraka ho an’ny mpanao politika dia tsotra: ny fifanajana eo amin’ny fampiainantsika izany demokrasia izany dia miankina amin’ny tsirairay”, hoy izy manoloana ny fanoheran’ny sasany ny voka-pifidianana depiote amin’izao. Nisafidy izay ho solombavambahoaka ny Malagasy. Tsy maintsy manaja lalàna isika. Izay fanajana lalàna velona izay no fomba ifanajantsika samy Malagasy, indrindra ifanajan­tsika mpanao politika. Misy ny rafitra mandrindra ny famoahana ny valim-pifidianana: ny Ceni ny vonjimaika, ary ny HCC ny ofisialy. Napetraka mazava tsara fa mahazo mitaraina sy mitondra ny tatitra rehetra eo anivon’ny HCC ny olona te hanao an’izany. “Efa vita ny fifidianana. Miandry izay valim-pifidianana izay ny rehetra. Ny ankoatra an’izay, zavatra hafa no tadiaviny”, hoy ihany izy.
Nambarany tamin’ny fananganan-tsaina kosa ny maha zava-dehibe ny fiverenan’ny Fahaleovantena sy ny fijoroan’ ny Foloalindahy miaro ny va­hoaka sy ny fananany ary ny andrimpanjakana. Tsy azo eritreretina ny firenena malagasy hoe tsy manana Foloalindahy.

R. Nd.

Partager sur: