Famoahana voka-pifidianana: isaky ny biraom-pifidianana no angatahin’ny KMF/Cnoe

Ny fitoniana sy filaminana no angatahina amin’ny rehetra, amin’izao ankatoky ny fivoahan’ny voka-pifidianana izao. Samy naneho hevitra ny kandidà rehetra ary samy teny anivon’ny Ceni nanara-maso.

Hamoaka ny voka-pifi­dianana vonjimaika ny Ceni rahampitso. Hanao ahoana? “Samy nandeha teny amin’ny Ceni ireo kandidà ho depiote. Samy mi­laza izy ireo fa misy ny hala-bato, na ny avy amin’ny mpanohitra na ny miaraka amin’ny fitondrana. Mifampiampanga eo ry zareo”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny KMF/Cnoe Fana­beazana olom-pirenena, i Haja Nirina, manoloana ny fifandroritana momba ny voka-pifidianana. Sosokevitry ry zareo: raha mety ho an’ny Ceni, aleo hivoaka toy ny ta­min’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo ny voka-pifidianana. Isaky ny toerana nandatsaham-bato na ny biraom-pifidianana izany. Ny olana, ry zareo kandidà ireo no milaza hoe: avoakan’ny Ceni amin’ny ankapobeny ny valim-pifidianana dia sarona amin’izany ny hala-bato. Tsy fantatra intsony hoe: iza no tena mangala-bato amin’izany, na ny avy amin’ny andaniny na ny ankilany, ho an’izay fangaraharana izay.
Efa eo amin-dry zareo eo anivon’ny Ceni ihany izay fikirakirana isaky ny birao fanda­tsaham-bato izay. Ny fandefasana izany ho amin’izay fangaraharana izay no mitaky ezaka. Eo amin’ny lafiny informatika. Tonga dia hita amin’izany izay mangala-bato, fa lasa samy manana ny marina amin’izao. Tombony amin’izay fangaraharana izay koa, mba milamina ny saim-bahoaka, ary voasoroka izay rehetra mety ho savorovoro na korontana. Tsy misy mahita tombontsoa ao anatin’ny korontana, indrindra ho an’ny firenena.

R. Nd.

Partager sur: