FANTINA sy FINTINA

Mitarika vonjimaika amin’ny fironan’ny voka-pifidianana avoakan’ny Ceni ny kandidà tsy miankina sady depiote am-perinasa, Randrianasolo Jean-Nicolas, ao amin’ny distrikan’i Betroka, faritra Anosy, araka ny nambarany. Matoky ny Ceni foibe sy ny HCC izy, ary miandrandra ny hisian’ny fitoniana.
Manaitra sy miantso ny mpisehatra rehetra tamin’ny fifidianana depiote amin’ny fitandroana ny fitoniana sy fihavanana ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS), na tsy nanolotra kandidà tamin’izany aza. Tokana ny tanjona: ny hivoahan’ny marina amin’izay kandidà tena nofidin’ny olom-pirenena. Miantso ny Ceni sy ny HCC hiasa lavitry ny tsindry na avy amin’iza na iza ny antoko.
”Tokony havotsotra tsy misy hatak’andro ny solombavambahoaka Masy Goulamaly…”, hoy i Tigere Chagutah, tomponandraikitra avy amin’ny Amnisty International. Anisan’ny tsy voahaja ao anatin’izao ny ”Charte africaine des droits de l’homme et des peuples”. Raha tsiahivina ny 31 mey 2024 no nosamborina ity solombavambahoaka ity.
Sombiny amin’ireo tsy fanarahan-dalàna hita, nandritra ny zotram-pifidianana solombavambahoaka, ny fandraisan’anjaran’ny mpiasam-panjakana, indrindra nandritra ny fampielezan-kevitra, araka ny nambaran’i Paraina Auguste, filohan’ny antoko Tsara tahafina, sady mpitondra tenin’ny vovonana Firaisankina.

Partager sur: