TSELATRA

Nandrehitra kodiarana, nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana naneho ny fahatezerany mano­loana ny fahatapahan-drano ny fokonolona ao amin’ny fokontany Anjanahary, boriborintany fahadimy, omaly. Tsy nahazo rano nanomboka ny alahady 9 jona teo izy ireo.

Mpitondra moto iray maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4, teny Andakana, afakomaly. Nianjera tany anaty lakandrano io mpitondra moto io. Mbola tafatsangana izy tamin’ny fotoan’ny loza saingy voadoana mafy ny toalan-damosiny. Nentina nihazo ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy.

Naratra ireo mpandeha tamin’ilay taksiborosy zotra Antananarivo – Antsohihy nivadika teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, ny sabotsy teo. Niala kely ny tanànan’i Manerinerina no nitranga ny loza. Niainga teny Andohatapenaka no efa nanana olana ity fiara ity, raha ny fanazavan’ireo mpandeha. Tratran’ny fihonjonana « ballotage » noho ny havesatry ny entana ny fiara ka nitarika ny fivadihany.

Tratra teo am-pidorohana zava-mahadomelina ny tovolahy telo tao Ankadiefajoro, fokontany Morarano, Andoharanofotsy, ny sabotsy teo. Nampitaraina ny olona ny fisian’ireo andian-jatovo mpifoka rongony ireo ka izao nilatsahan’ny zandary mpanao fisafoana izao. Nahitana fonosana rongony miaraka amin’ny taratasy fifohana tao anatin’ny moto nentin’izy ireo.

Partager sur: