INDRAY MIJERY

Nijery ny asa fitsaboana tanterahin’ny dokotera ao amin’ilay sambo hopitaly Mercy Chips ao Toamasina, ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, niaraka tamin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Iraka fahefatra ity tanterahina eto Madagasikara ity. Olona 6 400 no horaisina an-tanana ny fandidiana azy.
Mamely ny gripa na amin’ny ankizy na amin’ny lehibe. Filaharana eny amin’ireo tobim-pahasalamana, satria miharo fanaviana izany ho an’ireo marefo. Manahy ny amin’ny covid mihitsy aza ny olona sasany satria mifanesy voan’ny gripa mampanavy ny iray trano. Maharitra roa herinandro mahery vao misava izany.
Trangan’aretina mpahazo ny vehivavy maro eto Madagasikara ny aretina mamany lava. Nandritra ny fidinan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tany Toamasina, afaka nifanakalo hevitra tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpitsabo mpandidy izy. Izany no natao dia ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy ireo maimaimpoana eo anivon’ny CHU Analakininina.
Nisy fiofanana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana momba ny fampitsaharana ny vohoka sy ny tolotra azo omena aorian’izany, tany Mahajanga, ny herinandro lasa teo. Tanjon’ny fanofanana ny hanomezana antoka ny vehivavy amin’ny kalitaon’ny tolotra rehetra. Rehefa tsara fiomanana ny mpiasan’ny fahasalamana dia afaka miatrika ny fahasarotana samihafa mety hiseho.

Partager sur: