Tratran’ny polisy ny jiolahy iray nangalatra varavaramby teny Alasora ny asabotsy teo. Maro ireo olona velon-taraina fa very varavaramby eny Alasora sy ny manodidina. Ny alin’ny asabotsy teo no fantatra fa nisy nangalatra ny varavaramby an’olona mipetraka eny amin’ny manodidina ny tetezana hiditra By-pass. Tratran’ireo polisy nanao fanamiana sivily teny Ankadindratombo ny jiolahy iray nitondra varavaramby izay vao avy nangalariny.