Fampianarana ambony sy kolontsaina : namoaka mpikabary 16 ny Club Vintsy Famelona

Tontosa ny asabotsy 17 desambra teo, tao amin’ny Grand amphithéâtre Degs, Oniversiten’Antananarivo ny famoahana mpikabary 16 mianadahy, notanterahin’ny Club Vintsy Famelona, ao amin’ny departemanta jeografia, fakiolten’ny teny aman-tsoratra, eo anivon’ity oniversite ity. Rehefa nianatra nandritra ny 7 volana, voafehin’izy ireo ny fototry ny kabary, ny kabary an-kasoavana sy an- karatsiana. Nozaraina mari- pa­haizana mifanaraka amin’ ny ezaka nataony ny tsirairay. Nomarihin’ireo rehetra nandaha-teny fa «ilaina sady ta­ki­an’ny vanim-potoana ankehitriny ny tahaka izao satria manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampivelarana sy fanomezan-kasina ny ko­lo­n­tsaina malagasy ny fandraisana andraikitry ny tanora».
Nanamafy io voalaza io rahateo ny nahitana teny an-tsehatra, ireo mpitendry valiha tanora avy ao amin’ny foibe fikarohana sy fampianarana momba ny mozika Valiha Académie. Nisy ny fiarahana teo amin’ny roa tonta ka nihirana sy nitendrena ny «Nosy tanindrazako», nampifoha indray ny fitiavan-tanindrazana, fitiavana ny tenin-drazana, tao anatin’ny tsirairay.
Tazana nandritra ity famoahana andi­any voalohany «Famelona» eo anivon’ny departemanta Jeografia ity ny fandraisana andraikitry ny tanora amin’ny fampitiavana ny kolontsaina sy zava-kanto malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: