Fantina sy fintina

 Tsy anisan’ireo handray anjara amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ireo mponina amin’ireo kaominina miisa 31 any amin’ny distrikan’i Van­gaindrano. Nambaran’ny filohan’ny BAAM ho anton’izany ny antsojay sy fanenjehana ny depiote Masy Goulamaly, i Mahavitara Sylvestre ary Razana­mahasoa Christine.

 Miisa efatra mianadahy ireo tanora voafantina hiofana any Sénégal, amin’ny alalan’ny programa andiany faha-24, “Yali Regional Ship Center – RLC”. Manaraka fiofanana haharitra telo herinandro, miompana amin’ny Business, Public Management, sy ny Civic Leadership izy ireo, amin’izany.

 Miantso ny HCC hampihatra ny lalàna manoloana ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana ataon’ny filohan’ny Repoblika ny eo anivon’ny “Cellule de crise Diovy i Madagasikara”, sampana Toliara. Tsy eken’izy ireo koa ny fitarihan’ny filoham-pirenena mizaka ny zom-pirenena frantsay ny fanamarihana ny fetim-pirenena, rahampitso.

 Voahitsakitsaka ny tany tan-dalàna, araka ny nambaran’ny filohan’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste, ny herinandro teo. “Tsy miafina amin’izao tontolo izao ny fanitsahana ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia eto amintsika”, hoy izy. Handetika ny firenena anaty fahantrana lalina izao ataon’ny mpitondra izao, araka ny nambarany.

Partager sur: