Haba efa naloan’Ambatovy : 30 miliara Ar tsy voarain’ny kaominina 21

Velon-taraina ireo ben’ny tanàna voakasiky ny tetikasa Ambatovy mitaky ny haba avy amin’ny fitrandrahana kobalt sy nikela izay fantatra fa arotsaky ny Ambatovy amin’ny fanjakana foibe isaky ny telo volana. Misy 21 ireo kaominina mifandray amin’ity tetikasa ity tsy naharay ny anjara volan’izy ireo efa roa taona izao. 30 miliara ariary izao no tsy voarotsaka, andrasan’ireo kaominina ireo, raha ny filazany.
Roa taona izao no nahanton’ny fanjakana foibe ny vola tokony narotsaka any amin’ireo kaominina ireo. Ny sasany amin’ireo ben’ny tanàna nitatitra ny zava-misy any aminy teto an-dRenivohitra ny faran’ny herinandro teo. Ao Beforona, ohatra, andalovan’ny pipeline, tsy tonga any aminy ny anjara volany 100 tapitrisa Ar isan-taona.
« Tsy afaka manefa ny karaman’ny mpiasan’ny kaominina izahay na manorina fotodrafitrasa, toy ny lalana, sekoly, hopitaly. Ny vahoaka manontolo no mijaly amin’izao fa tsy izay ratsy fitantanana ihany. Tsy fangatahana ny anay fa fanerena ny fitondrana foibe ny ahazoana ny anjara volanay », hoy Razafima­niry Edmond, Ben’ny tanànan’i Beforona.

Nanomboka septambra 2020
Matoa tsy misy antony mazava avy amin’ny fanjakana foibe, ratsy tantana izany ny vola natokana ho an’ireo kaominina. Manamarina iza­ny ny tatitra nataon’ny Fitsa­rana momba ny fitantanana fa misy tsy araka ny tokony ho izy ny fampiasana haba, vao maika mampitsahatra ny asa fampandrosoana ny nampihantonana izany nanomboka tamin’ny septambra 2020.

Nambaran-dRabenan­dra­sana Clément, mpandrindra ny Fikambanana fiarahamonim-pirenena mpitrandraka harena an-kibon’ny tany (OSCIE)* fa tsy vahaolana ny mampihantona ny fandoavana haba. Tsy an’ny Ben’ny tanàna akory ireny haba ireny fa an’ny vahoaka voakasiky ny tetikasa, toy ny lafiny fahasalamana. Zo feno ny mahavoaray izany. Etsy an-daniny anefa, sarotra ho an’ny kaominina sasany ny mitantana volabe, tsy mahalala mamolavola tetibola, mifehy ny tsenambarom-panjakana, sns. Tsy maintsy ilaina ny fifehezana ny mampiasa izany. Koa ny OSCIE nanofana momba ny tsenambarom-panjakana hanampiana ny vondrom-bahoaka intsinjaram-pahefana.

Ndrina
OSCIE * :
Organisation de la société civile sur les industries extractives

Partager sur: