Fantina sy fintina

Nomem-boninahitra farany tetsy amin’ny fitsarana Tampony Anosy, omaly ny nofo mangatsiakan-dRakotondravo Henri Solo. Tonia mpampanoa ambony tao amin’ny fitsarana ambony ao Mahajanga izy ary nodimandry ny 05 jona teo. Nanao ny adidiny tamin’izany ireo eo anivon’ny fianakaviamben’ny fitsarana. Nitarika izany ny minisitry ny Fitsarana.
Tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina miisa 18 manerana ny Nosy no niofana momba ny tetibolam-panjakana. Notanterahina ny herinandro teo izany ka nitarika ny atrikasa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny INDDL. Namatsy vola kosa ny USAID sy ny Pnud amin’ny programa Rindra.
Toko telo ho amin’ny Fahaleovantena ny Foloalindahy, miaro ny Andrimpanjakana sy ny lalàna, miaro ny fiandrianam-pirenena ary ny fahamarinana. « Eo koa ny mpitondra fitaratra ho an’ny olom-pirenena. Manana vina mitombina, mitsinjo ny tombontsoan’ny firenena », hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andria­nainarivelo Hajo, tamin’ny 26 jona teo.
Nirary soa ny Malagasy rehetra noho ny 26 jona ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Tsy nohadinoiny koa ireo mila ravinahitra any amin’ireo firenen-kafa. «Tari­hinao amin’ny famindram-ponao ny firenena navotanao, ka entinao amin’ny herinao ho any amin’ny fonenanao masina izy… Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny dia ny olona nofidiny ho lovany», hoy izy.

Partager sur: