Valo lahy nalefa eny Tsiafahy ary fito mianadahy naiditra eny Antanimora taorian’ny fampanoavana. Voarohirohy tamin’ny raharaha famonoana mpitsara iray miasa ao Mahajanga ny 19 jona lasa teo, izy ireo. Niakatra fitsarana, omaly, ireo olona voasaringotra tamin’ity raharaha ity ireo ka ny mpamilin’ilay mpitsara ihany no tompon’antoka.
Olona efatra naratra vokatry ny fivadihan’ny Bajaj iray teny akaikin’ny kininina ambanin’ny siniben-drano Itaosy, omaly maraina. Mpanao zotra mitatitra olona amin’ iny faritra iny ity moto bajaj ity saingy nanao taingim-be. Vokatry ny fihonjonana nateraky ny vesatra no nampivadika azy. Nentina hopitaly ireo naratra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.