Famitahana sy fampanginana ny any Vangaindrano, ny Antesaka, ny filazana fa lany, voafidim-bahoaka ny depiote, Mahaviatra Sylvestre. “Mbola voatazona any Antanimora izy anefa hatramin’izao”, hoy ireo foko maromaro avy any an-toerana, omaly. Notakian’izy ireo ny hamoahana io zanany io hisolo vava ny vahoaka eny amin’ny Antenimiera.
Hanao hetsika fanoherana ny voka-pifidianana ny ao Moramanga, anio. Nambaran’izy ireo fa voahitsakitsaka ny safidim-bahoaka ka izao haneho ny tsy fahafaliana izao izy ireo. Efa nandefa fangatahana alalana sy fampahafantarana momba izany ho an’ny sefo distrika izy ireo. Tsiahivina fa lasan’ny Irmar avokoa ny toerana roa, araka ny namoahan’ny HCC izany.
”Tsy mbola tratra ny tanjona… Mitohy ny tolona ka aza manary toky”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny Firaisankina, Ravalomanana Marc. Niarahaba ireo depiote avy eo anivon’ny vovonana miisa 22 ny tenany ka nanentanany ny hitondrana ny feo’ny vahoaka. “Aoka hijery ny mahasoa ny vahoaka ao anatin’ny fahendrena sy ny fahamarinana”, hoy izy.
Nisaotra ireo vahoaka nametraka fitokisana aminy ny depiote avy amin’ny Firaisankina, Randriamasinoro Ny Riana. Nisaorany manokana Andriamanitra amin’ny andraikitra vaovao napetraka aminy, izay maha depiote etsy amin’ny boriborintany faha-IV azy. Hanolo-tsaina ahy anie Izy hahatontosana ny adidy aman’andraikitra ho an’ny firenena”, hoy izy.