Vaovao mitambatra

 Mahatratra 78 066 ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny volana mey teo. Niakatra ity antotanisa ity raha oharina tamin’ny vanim-potoan’ny taon-dasa, izay 63 078, ary ambany noho ny tamin’ny taona 2019 izay nahatratra 86 0081.

 Mamatsy solika an’i Madagasikara, nanomboka ny volana avrily ka hatramin’ny volana mey 2025 ny orinasa OQ Trading. Hamatsy ireo kaompania efatra mpaninjara solika eto amintsika izy ary mitovy daholo ny vokatra sy ny vidin’izany. Marihina fa mbola mitana ny sain’ny maro ny vidin-tsolika izay ahina hiakatra amin’ny taona ho avy.

 26 000 taonina ny katsaka fanome ny biby hafaran’ireo matihanina taorian’ny fangatahana nataony manoloana ny fiakaran’ny vidim-bokatra. Harindra ny fitsinjarana izany hisorohana ny fiantraikany amin’ny vokatra eto an-toerana. Mbola tsy ampy ny filan’ny tsena anatiny na niakatra aza ny vokatra eto an-toerana tao anatin’ny efa-taona.

 169 359 Ar ny karama isam-bolana raisin’ny mpiasa eto Madagasikara. Latsaky ny karama farany ambany napetraka izay 250 000Ar ary voalaza fa mifanandrify amin’ny salan’ny karama raisin’ny mpiasa malagasy na miasa amin’ny sehatra ara-dalàna na tsia izany.

Partager sur: