TSELATRA

Tratran’ny zandary ilay jiolahy tompon’antoka tamina fanolanana vehivavy lehibe tsy salama saina tao Mahitsy, kaominina Ambohitrimanjaka, ny 26 jona 2024 lasa teo. Norahonany ho faty anefa ity ramatoabe ity mba tsy hitantara amin’olona ny herisetra nataony. Tsy nahasakana azy tsy hitantara anefa izany noho izy nahatsiaro naharary. Niaiky ny heloka vitany ity jiolahy ity.
Ankizivavy iray no nikasa hamono tena teny Ampitatafika, omaly, rehefa tsy nahita ny anarany tao anaty lisitr’ireo afaka fanadinam-panjakana BEPC. Nihazakazaka saika hitsoraka tao ambany fiara izy raha tsy voavonjin’ny raim-pianakaviana iray nahita ny fikasan-dratsiny. Avotra soa aman-tsara ihany anefa izy.
Lasan’ny jiolahy ny kitapo niaraka tamin’ny
ordinatera an’ny raim-pianakaviana iray nilahatra taxi-be teny Andrefan’Ambohijanahary, omaly hariva. Teo am-pidirana ny taxi-be izy no nahatsapa fa tsy tao am-babeny
intsony ny kitapo nentiny. Nisy nahita ny nakan’ireo jiolahy izany teny aminy.

Partager sur: