Moto roa nifandona vokatry ny fandehanana mafy teny Anosizato, omaly tolakandro. Nangalatra ny havanan’ny arabe izay mifanoha-dalana aminy ny mpitondra moto iray. Tsy nisy aina nafoy saingy naratra ireo mpitondra moto.
Naiditra eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ilay lehilahy nisandoka ho nisy naka an-keriny tao Anjozorobe, ny faran’ny herinandro teo. Nandefasany hafatra miafina mitaky vola 8 tapitrisa Ar ny fianakaviany ary nipoitra moramora izy rehefa tsy nisy nirara ny fangatahany.
Vehivavy iray nikasa hamono tena teo afovoan-dalana vokatry ny fahadisoam-panantenana amin’ny fiainana no avotry ny mpitandro filaminana tao Toamasina, omaly. Nitsirara tamin’ny tany tsy lavitra ny Bazar Kely efa niandry fiara hanitsaka azy izy no hitan’ny fokonolona.