Miantso ireo rehetra mpikatroka sy mpanohana ny antoko Tim ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nivoitra tao amin’ny Facebook, omaly, fa hanao fanambarana lehibe, manoloana ny raharaham-pirenena ny tenany, anio maraina etsy amin’ny foiben’ny antoko, etsy Bel Air.
Manatrika ny fivorian’ny parlemantera amin’ny faritra Atsimon’i Afrika any Namibia ireo depiote. Miompana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo parlemantera amin’ny fanaraha-maso sy tatitra momba ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny aterak’izany ny dinika. Voaresaka koa ny tokony hanaovana lalàna momba ny fiovan’ny toetr’andro…
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin ny fikambanana “Soroka sy tongotra entin’ny parlemanta ho an’ny sosialy – Steps”, afakomaly, tetsy Tsimbazaza. Nampahafantatra ny fijoroany eo anivon’ny Antenimierampirenena izy ireo ary nitatitra ny asa sosialy sahaniny. Marihina fa misokatra amin’ny mety ho fiaraha-miasa izy ireo.
Nanitrikitrika ny depiote, Randrianasoloniaiko Siteny, fa tokony hilaza ny marina ny fanjakana momba ny fandoavana ny vatsim-pianarana. “Misy sa tsia ny vola ? Aoka hametra-pialana rehefa tsy mahavita”, hoy izy. Tahaka izany koa ny fanadinana bakalorea. “Efa tany amin’ny fitsarana ny laza adina vao hita fa nisy diso ny izany”, hoy ihany izy.