Niantso ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ho kandidà ben’ny Tanàna eto Antananarivo ny mpomba azy. Nisy ny fanambarana afakomaly, teny Bel Air.
Nanao fanambarana lehibe ny antoko Tim, tarihin’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc, teny Bel Air, tamin’ny sabotsy. Nivoitra tamin’izany ny fangatahana azy hirotsaka hofidina ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny nanambara izany ny depiote Razarapiera Fidèle na i Del Kely. “Milatsaha ianao fa lany ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Fifidianana sisa… Halaintsika ny eto Antananarivo fa ho azon’ny mpanohitra ny renivohi-paritany enina. Halain’ny Tim koa ny renivohitry ny faritra sy ny distrika rehetra”, hoy izy. Nampitovy tadin-dokanga ireo mpanohana azy.
Tsy mbola namaly mazava izay ho fanapahan-keviny anefa ity filohan’ny Repoblika teo aloha ity. Nilaza izy fa aorian’ny fivoahan’ny didim-panjakana mamaritra ny datim-pifidianana ny tenany vao hitondra valiny.
“Manifesto”
Na izany aza, nambarany ireo masontsivana sy fepetra ho an’ireo kandidàn’ny Tim, hiatrika ny fifidianana ben’ny Tanàna. Anisan’izany ny tsy maintsy hananana vina “Manifesto”. Mendrika sy mamim-bahoaka ary mahalala sy mahay ary mahavita, araka ny nambarany. “Tsy maintsy miainga eny anivon’ny FokTim sy ny kaominina ary ireo depiote sy ny foibe ny firotsahana ho kandidà ary mandalo aty amin’ny filoha nasionaly”, hoy izy. Ankoatra izany, notakiny ny hanasaziana ireo mpiasam-panjakana sy olom-boafidy tsy nanara-dalàna tamin’ny fifidianana depiote teo.
Namaranany ny lahateniny fa tsy hihemotra amin’ny sakana sy ny fandikan-dalàna ary ny ramatahora ataon’ny mpitondra izy. Anisan’izany ny nampihenana ny mpiambina azy ho roa sisa raha tokony ho 12 izany. “Miaraka amin’ny vahoaka hatrany isika”, hoy Ravalomanana Marc.
Synèse R.