Alohan’ny 12 aogositra no tokony ho tafatsangana ny governemanta vaovao, raha ny lalàna no jerena. “Manana 30 andro taorian’ny nanendrena azy hahazoany manolotra ny Programa ankapoben’ny fanjakana (PGE) eto anivon’ny Antenimierampirenena. Ny governemanta no manolotra an’izay. Inoana fa mbola manam-potoana ny Praiminisitra, satria amin’ny 12 aogositra vao tapitra izay fe-potoana izay”, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tao Fianarantsoa, tamin’ny anaran’ny Irmar, Rajoelina Seth, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. “Efa niteny ny filohan’ny Repoblika hoe mila fandaminana sy fanadihadiana tsara ny fandrafetana ny governemanta amin’ity indray mitoraka ity. Mbola ao anatin’ny vanim-potoana tsara ny Praiminisitra amin’izao”, hoy hatrany izy.
Tsy mbola misy mipika ny vaovao mahakasika izany hatreto. Ny feo eny an-dalantsara no maro. Anisan’ireny ny filazana fa ny teo ihany no haverina. Ny toerana banga ihany no hosoloina sy hofenoina. Anisan’izany ny minisiteran’ny Atitany, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fianarana asa, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Marihina fa ny dimy lasa solombavambahoaka, ny iray tsy lany tamin’ny fifidianana. Miampy azy enina mianadahy dia banga ihany koa ny toerana ao amin’ny minisiteran’ny Varotra. Lasa filohan’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina, ny minisitra Razafindravahy Edgard.
R. Nd.