Antananarivo sy ny manodidina: tanàna maro no mijaly rano, voatery mividy lafo

Miverina ny olan’ny rano eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Filaharambe eny amin’ny paompy izay hany sisa mandeha. Vidian-dafo hatrany amin’ny 1000 Ar ny daba mavo iray.

Maintany tanteraka ireo tanàna amin’ny faritra avo eto Antananarivo sy ny manodidina, tao anatin’ny roa herinandro izao. Tsy mandeha ny ranon’ny Jirama na ny any an-tokantrano na ny eny amin’ny paompim-pokonolona.
Voatery mandeha mantsaka amin’ireo tanàna sasany mahazo rano ny mponina. Filaharambe andro aman’alina ihany koa anefa eny amin’ireny toerana vitsy ireny. Amin’ny 1 ora maraina dia efa milahatra ireo mpikarama mpitatitra rano amin’ny sarety taritin-tanana.
Izy ireo no mamatsy rano ny isan-tokantrano ka mivarotra izany amin’ny vidiny tena lafo. Mahatratra hatrany amin’ny 1000Ar ny rano iray daba mavo 20 litatra. Miakatra hatrany amin’ny 2000 Ar izany arakaraka ny halaviran’ny toerana ahitan’ny mpatsaka rano.
Anisan’ny tanàna lasibatra ny eny Faravohitra, Ankatso, Andraisoro, Fort Duschesne, Fort Voyron…Ivato tanàna, Ambohidratrimo, Ambato­maro, Ambohimangakely, Alasora, Itaosy, Ambohiman­gidy, Ambohidrapeto…
Mizaka ny tsy eran’ny aina ihany koa ny eny Ambohipo, Ambatolampy Antehiroka, Analamahitsy, Ivandry, Ilafy, Ambaniala, Ambanilalana… Izay efa nahitana fitokonana ny toerana sasany ho fanairana nataon’ny mponina saingy toy ny antso an’efitra ihany.
Toa tsy misy fanantenana intsony ny handehanan’ny rano amin’ny toerana maro satria efa naharitra aman-taona tsy tongan’ny ranon’ny Jirama.
Ireo manana lavadrano sisa no afaka mampiasa rano kanefa dia efa miha ritra ihany koa izy ireny.

Tatiana A

Partager sur: