RN5 – Soanierana ivongo: efa vita hatrany amin’ny 50% ny tetezana vaovao

Mandroso ny asa fanamboarana ny tetezana vaovao any amin’ny Soanierana Ivongo, amin’ny lalam-pirenena fahadimy (RN5), PK 530. Mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe ity fotodrafitrasa ity, anisan’ny tena lehibe, satria mirefy 320 metatra ny halavany, ary 7 metatra ny sakany, azo hifanenan’ny fiara roa. Fiaraha-miasa iarahan’ny mpamatsy vola avy any ivelany sy ny fanjakana malagasy no hanatanterahina ny asa.
Nitsidika tany an-toerana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, ny volana avrily 2024. Efa vita tanteraka ankehitriny ny ampahany voalohany (ny 50%), natao tao anatin’ny 14 volana ary hanomboka tsy ho ela ny ampahany faharoa. Vinavinaina ho vita tanteraka ny fotodrafitrasa amin’ny volana jona 2025.
Hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra ny fisian’ity tetezana lehibe ity. Hiantraika any amin’ny fandrosoana ara-toekarena sy ny sosialy any Soanierana Ivongo sy ny ao anatin’ny faritra Analanjirofo izany.

Njaka A.

Partager sur: