Nanana ireo fomba nentiny nanatanteraka lanonana ny Malagasy. Niova tsikelikely izany taty aoriana. Tafiditra rahateo ny atao hoe « fety »… Amin’izao vanim-potoana izao, maro ny miezaka mamerina ny fahiny. Saingy, amin’ ny ampahany ihany .
Rehefa mandia fotoan-dehibe ifaliana ny Malagasy, manatanteraka lanonana izy. Fitokanana trano vao vita, fitsofan-drano samihafa, fifampiarahabana isan-karazany, sns. Samy nandray anjara tamin’ny fanomezana aina azy ireny ny mpianakavy sy ny mpiara-monina… Niova tsikelikely io endrika io. Niditra teto Madagasikara rahateo ny antsoina hoe « fety », izay nanomboka nifangaro tamin’ny « lanonana » teo amin’ny fombafomba nanatanterahina azy. Ny antom-pisiana no mety
ho samihafa. Nanjary nanao « fety », ohatra, ny Malagasy rehefa misy ireo « atao komonio voalohany », na ireo « raisina ho mpandray ny fanasan’ny Tompo », sns. Tsy an’ ny Malagasy ireo.
Taona vitsivitsy izay, nanomboka nitodika tany amin’ ny azy ny ankamaroan’ny Malagasy rehefa hanatanteraka « fety » aman-danonana. Misy ny hoe : « tsara raha manao fitafy gasigasy ». Tahaka izany koa ny hoe : « Mitady tarika na mpihira afaka maneho zavatra gasigasy izahay hanafana mariazy »… Saingy, rehefa tomorina akaiky, ny endrika ivelany no omena vahana kokoa amin’ireny. Tsy ny fototra loatra no maha maika sy tian-kiverenana fa finiavana te haneho « efa lamaody amin’ izao ny manatanteraka fety gasigasy, ka aleo mba manao izany ihany koa. Andao hitafy lamba. Asio feom-baliha kely eny antsefantsefan’ny fandaharam-potoana. Aza hadinoina ny mirandrana, sns » !
… Maivana sy tsy tsara fototra ny endriky ny fiverenan’ny Malagasy ao anatin’ny « gasigasy », satria, « fanarahana lamaody » no mibahana ao an-tsainy. Io tranga io no mahatonga ny mpandinika
ny fiarahamonina hilaza fa :
« tsy finiavana hampanjary ny hasina ao aminy no laharam-pahamehana amin’ny Malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao, fa ilay endrika ivelany hamotika azy tsy ho ela » !
HaRy Razafindrakoto




