Laharana faharoa aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika ny Akomba de Madagascar, taranja tenisy, ho an’ny sokajy zandriny, vehivavy. Nandrombaka ny medaly volafotsy ary hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka kaontinantaly izy ireo.
Tontosa, ny sabotsy lasa teo, tao Maputo, Mozambika, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimo. Fifaninanana ho an’ny sokajy zandriny U12, lahy sy vavy. Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy. Voahosotra ho tompondaka lefitra ny Akomba de Madagascar, zazavavy. Norombahin’izy ireo ny medaly volafotsy.
Ankoatra izay, nahazo ny tapakila hiatrehina ny fiadiana ny ho tompondaka kaontinantaly izy ireo. Fihaonana tsy mbola voafaritra ny daty sy ny firenena hampiantrano azy.
Raha hiverenena ny vokatra nataon’ny Akomba de Madagascar, sokajy U12, vehivavy. Resin’i Afrika Atsimo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Malagasy. Niondrika teo anatrehan’i Grabiella Cortzee, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/1), i Koloina. Nanantombo tamin’ny lafiny rehetra ity mpifanandrina taminy ity. Tsy mbola tafavoaka ihany koa i Onintsoa nanoloana an’i Lily Haley. Nisaraka tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa izy mirahavavy (2/6 ; 1/6).
Tsiahivina fa tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo Afrikanina tatsimo ny Akomba de Madagascar. Efa resin-dry zareo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny Malagasy tany amin’ny lalao fifanintsanana.
Fahadimy kosa ny Akomba de Madagascar, sokajy U12, zazalahy, rehefa nandresy an’i Malawi teo amin’ny fiadian-toerana.
Roa taona vao niverina
Tsy nitsanga-menatra ny Akomba de Madagascar tamin’ity. Roa taona lasa mantsy tsy nandray anjara tamin’ity fifaninanana ho an’ny sokajy zandriny ity ny Malagasy. Vao niverina avy hatrany dia tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ny zazavavy. Tafiditra ao anatin’ny «Top 5» kosa ny zazalahy. Traikefa lehibe no azon’izy enina mianadahy niatrika ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimo ity. Ramanampanoharana Onintsoa, Randriamananjara Koloina, Andriaina Realy teo amin’ny vehivavy raha Rasoarahona Ilo, Randimbison Manou, Rakotomalala Antso kosa ho an’ny vehivavy.
Tompondaka