Natao sonia omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Fondation Tany Meva sy ireo fikambanana ifotony (OC) misehatra amin’ny tontolo iainana. Miara-miombon’antoka amin’ny fifanarahana ihany koa ny MNP sy ny ONG Fanamby.
Mifantoka amin’ny fanamafisana sy fanatsarana ny fitantanan’ny Fikambanana ifotony (OC) ny fifanarahana. Tafiditra ao anatin’ny fanohanan’ny Tany Meva ny fanatanterahan’ny OC ny tetikasany avy, manodidina ny tontolo iainana sy ny fanatsarany ny velon-tenan’ny mpikambana. Sokajiana ho OC ny fikambanana mijoro ara-dalàna, toy ny Vondrona olona ifotony (VOI), ny fikambanana tantsaha, ny mpampiasa rano, ny kaoperativa, ny fikambanana manana sata manokana, ny vehivavy sy/na tanora, sns.
Mandritra ny dimy taona (2024-2027) ny fifanarahana amin’ny OC, ka mitentina 50 tapitrisa Ar hatramin’ny 200 tapitrisa Ar ny famatsiam-bola. Manara-maso ny fanatanterahana azy ny Madagascar National Park (MNP) sy ny ONG Fanamby ary manao ny tomban’ezaka ny Tany Meva. Voarakitra ao anaty bokikely ny paikady amin’ny fitantanana, ahitana sehatra miisa 17. Nohazavain’ny tale mpanatanteraky ny Fondation Tany Meva, Rasoanaivo Hariliva, fa tanjona ny hahombiazan’ny OC tsara kokoa, ka mba hahaleo tena tanteraka ny OC notohanana aorian’ny 5 taona nifanarahana, rehefa tsy eo intsony ny Tany Meva, fa mifindra any amin’ ny toeran-kafa indray.
Fanamafisana ny fahaiza-manao
Hita ao anatin’ity bokikely ity ny fomba fiasa sy ny dingana hatao, toraka izany koa ny fanaovan’ny OC tombana avy hatrany ny vitany, ny tsy vita, ny singa mila hatsaraina na tsia. Avy amin’izany no ahafahany mangataka tohana amin’ny Fondation Tany Meva, hanamafisana indray ny fahaiza-manaony, amin’izay lafiny mila hatsaraina.
Tontolo dimy no nahazo tohana mandritra ny dimy taona. Ny tontolo any amin’ny tendrony avaratry ny Nosy, ny tandavanala Ambositra –Vondrozo (Cofav), ny tontolo Afovoantany avo toerana, ny tontolo avaratra andrefana ary ny tandavanala Ankeniheny Zahamena (Caz).
Njaka Andriantefiarinesy