Mitaintaina ny mpanjifa sao mety hisondrotra ny saran’ny fakitoran’ny Jirama, indrindra ny herinaratra. Nitondra fanazavana ny Praiminisitra, Ntsay Christian, omaly, fa tsy vahaolana izany fisondrotana izany ho an’ny besinimaro, satria efa sahirana ny isan-tokantrano. Nomarihiny kosa anefa, fa misy ny fanitsiana, ary hisy ny fifampiraharahana amin’ny Vondron’ny mpandraharaha (ny Gem, ny Sim, sns). Satria, azo lazaina fa mbola ambany ny saran’ny herinaratra ho an’ny orinasa, raha oharina amin’ny any ivelany.
Mahakasika ny olana ara-bola sedrain’ny Jirama, nambarany fa « mahatratra 80 hatramin’ny 90 miliara Ar isam-bolana ny vola miditra aminy, nefa 180 miliara Ar isam-bolana ny mivoaka. Mitentina 1 300 miliara isan-taona ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana, nefa ny 15% ny Malagasy monja no misitraka ny herinaratry ny Jirama ».
Izay no nahatonga ny paikady vaovaon’ny fanjakana, ny fiampitana mankany amin’ny fampiasana ny angovo madio. Mandritra izany, ampiasaina ny solika, menaka mavesatra, « fuel », satria tsy misy sahy mangalatra ireny, vitsy ny mampiasa azy, fa tsy toy ny gazoala, mora angalarina sy lafo vidy.
Njaka A.