VAOVAO TAMBATRA

Hampiakarina ho 10 tapitrisa dolara ny tanjon’ny Fondation Tany Meva. Tetibola hampiasainy, ao anatin’ny drafitrasa amin’ny taom-piasany mandritra ny 5 taona, io. Mamatsy vola ny tetikasa eny ifotony ity fikambanana ity, miaraka amin’ny fanohanan’ny mpiray miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF) aminy samihafa eto an-toerana. Anisan’ny tanjona ny hanarenana ny ara-tontolo iainana sy ny fanatsarana ny fiharian’ny mponina eny ifotony.

Mirefy 1,45 km ny lalana natao rarivato ao an-tampon-tanàn’Ambovombe. Avy amin’ny fanjakana ny vola nampiasaina, tamin’ny alalan’ny Tahirimbola fikojakojana ny lalana (Fer). Nanao ny asa ny orinasa Ambella, ka natao ny herinandro lasa teo ny fandraisana vonjimaika ny asa, izay hita fa manaraka tanteraka ny fenitra notakina. Nanatrika ny fotoana ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Asa vaventy (DRTP) any an-toerana, ny avy amin’ny faritra Androy ary ny solontenan’ny orinasa nahazo ny tsenambaro-panjakana.

Partager sur: