Robotikoo Girls: misokatra ny fandraisana ekipa

Misokatra ho an’ireo ankizivavy 11-13 taona ny fandraisana anjara ho mpikambana handrafitra ny ekipam-pirenena Robotikoo Girls, amin’ny fifaninana Starship Girls’ Firefighting. Hetsika atao mandritra ny Festival international robotex any Tallinn Estonia, ny 6-7 desambra 2024.
Fifaninanana mandrisika ny fahaiza-manao mahomby amin’ny fampiasana robot ny Starship Girls’ Firefighting. Sivana apetraka ny fahaizana mikirakira ny teknolojia. Araka izany, hamolavola robot hitady sy hamono ireo labozia efatra napetraka ao amin’ny toerana hanaovana ny fifaninana, ao anatin’ny fotoana voafetra, ny ekipa ahitana mpikambana dimy.

Fepetra takina
Tokony ho mpikambana ao amin’ny Stem For Good na ao amin’ny Coder Dojo na liana amin’ny fidirana amin’ny iray amin’ireo fandaharanasa ireo ny mpandray anjara. Liana ihany koa amin’ny fifaninanana robotique sy miara-miaina anaty ekipa ho an’ny fahombiazana ary vonona hiatrika fifaninana amin’ny volana desambra izao. Tokony ho liana amin’ny siansa sy ny tekonolojia ary ny matematika ireo mpikambana. Araka izany, handrindra ankapobeny sy hitantana ireo mpikambana ny mpitarika. Hamolavola sy hanangana ny robot kosa ny injeniera misahana ny mekanika, raha hanangana ny Chassis robot sy ireo kojakoja samihafa kosa ny injeniera momba ny elektronika. Hanao ny  Ecriture et débogage du code, intégration des capteurs ny ankizivavikely programmeuse. Hisahana ny fampandrosoana ny Algorithmes de traitement d’image kosa ny Analyste en vision par ordinateur.
Afaka misoratra anarana ao amin’ny pejy facebook Robotikoo Robotics hatramin’ny 30 septambra ireo ray aman-dreny te hampandray anjara ny zanany.

Henintsoa H.

Partager sur: