« Rodorodon’ny tantsaha » andiany faharoa : Tantsoroka hampandroso ny mpamokatra

Tanterihana eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina nanomboka ny 14 ka hatra­min’ny sabotsy ny « Rodoro­don’ny tantsaha », andiany faharoa. Hetsika ara-toekarena hampandrosoana ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Tanjona ny hanentanana ireo mpiara-miombon’antoka hanao tan­tsoroka ny tantsaha. « Mian­traika mivantana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny krizy iraisam-pirenena », hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratoharijaona Rakotoarisolo Suzelin, nandritra ny fanokafana ny hetsika, ny alarobia teo. Tokony hanodim-bokatra, araka izany, ny tantsaha fa tsy hijanona ho mpamokatra. Anisan’ireo paikady apetraky ny tokantrano tantsaha (Foyers des Paysans), mpikarakara ny hetsika ny hamolavola tantsaha ho lasa Agripreneur. « Volavolaina ara-tsaina sy omena ny fahalalana rehetra sy ny kolon­tsaina mandraharaha ary ny fanabeazana ara-bola ny tan­tsaha mba hahafahany mivoatra sy manitatra ny lalam-pihariana ataony », hoy ny mpanao tantsoroka ny tokatrano tan­tsaha, Rakotovao Bari­tiana.
Tohana
Manome tohana ho an’ny tantsaha ny minisitera amin’ny alalan’ireo tantsoroka sami­hafa, toy ny fanomezana ze­zika sy masomboly hampiroboroboana ny seha-pihariana. Marihina fa maherin’ny 80% ny Malagasy no miasa sy mi­velona any ambanivohitra. Mamelona tokantrano hatrany amin’ny 3 150 000 ny lalam-piharian’ny fambolena sy fiom­piana isan-karazany avy.
Lohahevitry ny hetsika amin’ity taona ity ny « Mala­gasy mifanome tanana ho an’ny fampandrosoana».

Henintsoa H.

Partager sur: